NY TANTARAN’NY BOKY
A – Amin’ny ankapobeny
Mifamatotra amin’ny tantaran’ny soratra ny tantaran’ny boky.
5000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy no nahitana fitanana an-tsoratra ny teny.
Ny Asyriana sy ny Babyloniana no nanao izany tamin’ny takelaka tanimanga ary miendrika diam-pantsika ny soratra tamin’izany (écriture cunéiforme).
4000 taona talohan’i Jesoa Kristy vao nampiasa zava-maniry namboarina ho azo anoratana ny olombelona. Dia ireo Egyptiana no nanao izany ary fon-jozoro no nampiasaina.
Ireny karazana zozoro atao hoe “Papyrus” ireny no natao taratasy ary ny soratra nampiasaina dia ny “hiéroglyphe”. Nantsoin’ny grika hoe : “biblios” sy “biblia” ireo “papyrus” ireo. Izay ihany koa no nahazoana ny teny hoe : “Bible”, “Bible” = “Papyrus”.
Tatỳ aoriana dia zary anarana nilazana ny boky ny teny hoe : “bible”.
Avy eo dia nampiasaina ny hoditra nalefaka nanamboarana ny “parchemin”. Hodijanak’ondry no nalaina avy tany Pergame tamin’ny taona 200 talohan’i Jesoa Kristy no nahitana izany. Mitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zanak’olombelona, ary niova sy nihatsara niandalana teny ihany ny fitaovana natao handraketana ny soratra.
Ohatra : tamin’ny taona 1000 taorian’ny nahaterahan’i Kristy dia nahita ny fomba fanaovana taratasy tamin’ny lamba ny sinoa.
Tamin’ny taona 1200 no hita ny milina fanaovana taratasy natao hoe “codex”. Amin’izao fotoana izao io teny io dia enti-milaza ny boky azo avadibadika.
Ny zava-dehibe tsara homarihina eo amin’ny tantaran’ny boky dia ny nahitan’ilay teratany Alemana Gutenberg tamin’ny taona 1440 ny fanontam-pirinty “typographie”.
B – Teto Madagasikara
a – Topy maso
Raha ny teto Madagasikara dia vao haingana no nidiran’ny boky. Tsy nisy soratra fahiny. Lovan-tsofina no hampitàna ny fomba rehetra nentina nanabeazana sy nitaizana ny ankizy. Ny kendrena indrindra dia ny hananan’ny ankizy ilay fanahy maha olona. Io no toetra itsarana ny olona iray. Tsy nijanona tamin’ny ankizy mazava ho azy izany, fa samy manana ny anjarany daholo ny rehetra.
Ny zava-nitranga amin’ny fiainana andavanandro no nisintonana lesona tamin’izany. Maro ny fomba nenti-nanabe. Tao ny tantara, ny angano, ny ankamantatra, ny ankifidy ho an’ny ankizy. Ho an’ny lehibe koa dia ny ohabolana, ny hainteny, ny kabary, ny oha-pitenenana no nampiasaina. Manana ny maha izy azy daholo ireny rehetra ireny namolavola olom-banona, olona nahay niara-nonina tamin’ny manodidina sns
b – Ny nidiran’ny soratra teto Madagasikara
Ny boky voalohany :
Iaraha-mahalala anefa fa misy lafy tsarany sy lafy ratsiny avokoa ny zava-drehetra. Araka izany dia mety very na miova eny am-pampitana azy ny lovan-tsofina. Koa ilaina indrindra ny soratra mba handraiketana sy hitahirizana azy ireny. Tamin’ny taonjato faha XII no nidiran’ny Arabo teto Madagasikara ka nitondrany ny sorabe.
Nanomboka teo ny fampiasana taratasy. Havoha (hodi-javamaniry) no nanaovana taratasy.
Arandrato no nanaovana ranomainty ary volontsangana no nanamboarana penina. Tamin’ny taona 1817 i Hastie dia nifampiraharaha ara-barotra tamin-dRadama I.
Tsapan’io Mpanjaka io fa ilaina ny fahaizana manoratra, koa dia nanorina, sekoly izy niaraka tamin’ny L.M.S. Ary ny abidia latina no nampiasaina tamin’ny soratra.
Rehefa tafiditra ary ny soratra dia natao ny fitsipika hanoratana ny Teny Malagasy : fitsipi-pitenenana, tsipelinteny raikitra.
Nanomboka teo dia nisy ny boky teto Madagasikara. Ny voalohany tamin’izany dia ny boky fivavahana.
Tamin’ny taona 1834 no nahatonga milina fanontana ny misionera. Tamin’ny taona 1835 no voadika tamin’ny Teny malagasy ny Baiboly.
Tamin’ny taona 1866 no nivoaka ny gazety malagasy voalohany. Ny “teny soa” – 1874 no nivoahan’ny Diary Malagasy.
d – Ny fanjanahan-tany :
Nitarika fanjanahan-tsaina. Nindrahindraina ny kolontsaina vahiny. Ny Teny frantsay no lasa fiteny ofisialy.
Ny asasoratra vitsivitsy vita tamin’ny Teny malagasy dia nentina nanindrahindrana ny mpanjanaka.
Izy ireo dia nitondra endrika tononkalo, sombintantara, tantara foronina.
Tamin’ny taona 1906 no niseho ny gazety voalohany tsy miresaka mikasika ny fivavahana.
Tamin’ny taona 1912 dia niseho ny fikambanana V.V.S. Fotoanan’ny fahatsiarovan-tena, fitadiavana hamerina indray ny kolontsaina maha Malagasy ny Malagasy.
Gazety no namoahana ny asasoratra tamin’izany. Ary nisy fotoana nanafoanana ny gazety nandritra ny 7 taona. Nony afaka nivoaka indray ny gazety dia hita tao ny fitiavan-tanindrazana, ny fitiavana, ny fanandratana ny zavaboary.
Ny taona 1960 dia nahaleo tena ny Firenena malagasy. Sarintsariny ihany anefa izany. Mbola nikatsaka ny fahaleovantena tanteraka ny Malagasy. Ary naneho izany tamin’ny asasoratra isan-karazany. Ireny dia niseho tamin’ny gazety indrindra indrindra.
Ny zavatra mibaribary mantsy dia izao : tsy ampy ny boky malagasy. Ary ny misy dia tsy mahafa-po na ny votoatiny na ny endriny sy ny hamafiny. Koa tsy mahagaga raha ny boky vahiny no nandrakotra ny fivarotam-boky.
Lafo ny famoahana boky ary anisan’ny sakana lehibe amin’ny famokaram-boky izany.
Taorian’ny taona 1973 dia nihena ny boky vahiny ary bokim-pianarana natao “ronéot” no be nivoaka raha ny boky malagasy no jerena.
Be koa ireo antsoina hoe “B.D”,, no nivoaka. Hatramin’izao dia lafo dia lafo ny boky. Vitsy ny olona afaka mividy. Iaraha-mahalala anefa ny toeran’ny boky eo amin’ny fampandrosoana. Koa niezaka ny fitondram-panjakana hampanatona ny boky ny vahoaka ary dia natsangana ny tranombokim-bahoaka eran’ny eto Madagasikara. Natao koa ny fampahafantarana ny boky malagasy tamin’ny alalan’ny varotra fampirantiana teny amin’ny faritany isan-karazany sy tamin’ny alalan’ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny boky.
Ankehitriny amin’izao taona 2025 izao dia efa betsaka ny boky voasoratra amin’ny Teny malagasy, ary efa mandroso amin’ny fitiavam-boky ny ankamaroan’ny olona na dia eo aza ny fidiran’ny teknolojia vaovao dia ny facebook izany. Tsy mbola misy mahasolo ny boky ka mandrosoa amin’ny fitiavam-bady.
RABENANDRASANA Lalao François
Leave a Reply