HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

3 Mey : « Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety »

HAFATRA

Avy amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona eto Madagasikara

AJDM (Association des Journalistes Doyens de Madagascar)

Noho ny fanamarihana ny ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY 03 MAI 2025

“MAMPAHALALA VAOVAO ANATY VANIM-POTOANA SAROTRA SY NY FIANTRAIKAN’NY TEKNOLOJIA VAOVAO EO AMIN’NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY”

Izany no teny Filamatra mampiray ny Mpanao Gazety amin’izao andro 03 Mai 2025 izao, izay hankalazana ny “FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY”

  1. Dieny ety am-panombohana dia AOKA HAZAVA ny resaka.

TSY AMBAKAIN’NY TEKNOLOJIA VAOVAO velively ny Mpanao Gazety fa MAHAFEHY ary MAMPIASA an-kahalalahana tanteraka ireny Teknolojia  vaoivao maroloko sy marolafy ireny.

Fitaovam-pifandraisana avo lenta sy haingam-pandeha ny Teknolojia vaovao, indrindra fa ny « Intelligence Artificielle »; kanefa AZO FEHEZINA sy AMPIASAINA arak’izay ilana azy tokoa.

Tsy hadinoina mandrakariva fa ny andraikitra masina sy zokiny indrindra ho an’ny Mpanao Gazety dia ny FANABEAZANA ny olona REHETRA sy ny OLONA MANONTOLO amin’ny alalan’ny TENY sy SORATRA ary SARY.

Izay ilay hoe: “HAINO – VAKY – JERY”

  • Tsio-drivotra mahazendana tokoa no iainan’izao tontolo izao ankehitriny noho ny firimorimon’ny Teknolojia vaovao maro samihafa.

Eo no ho eo dia tafapaka any amin’ny tsirairay sy eny amin’ny besinimaro ny HAFATRA tian-kampitaina na hafatra mahasoa io na mety ho hafatra mamohehatra sy mampidi-doza.

Ka eo indrindra no hanavahana ny vary sy ny tsimparifary. Tena Mpanao Gazety sy ny Mpiserasera hafa.

Koa FOTOANA ijoroan’ny tena MPANAO GAZETY MATIHANINA izao vanim-potoana ankehitriny izao.

  • Tsiahivina lalandava fa ho an’ny Mpanao Gazety: “NY TENY SY NY SORATRA ARY NY SARY no ampinga enti-miady ary vatsy enti- mihary”.
  • Mby an-tsaina foana fa : “NY MPANAO GAZETY NO MANDAN’NY DEMOKRASIA SY VAHATRA IFAHARAN’NY FAHAFAHANA SY NY FIADAM-PINARITRY NY AMBANILANITRA.”
  • Ampahafantariny ombieny ombieny fa : “TSY MISY FAHAFAHANA RAHA TSY MISY NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY”
  • Koa alao hery ry MPANAO GAZETY zandry isany fa isika dia : “ANTOKY NY FAMPANDROSOANA SY NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO AMIN’NY TANY SY FIRENENA”

Ny Fahaiza-manao sy ny Traikefa hananantsika ombam-pahendrena mandrakariva dia fanoitra mandonda ho an’ny FIANDRIANAM-PIRENENA.

Tadidio lalandava fa: “TSY MITSAHATRA NY MAHAMPANAO GAZETY RAHA TSY NY MASO NO MIKIPY”.

HO ELA VELONA NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY

                                                      Amin’ny anaran’ny Ny AJDM

                                     Ny Filoha syn y Birao

                               RABEKIJANA Felix

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *