HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

FANANDROANA MALAGASY (Tohiny)

NY HERINANDRO

Miverina ny andro. Raha tsy mbola nisy anarany tsirairay ny andro fito dia ny zava-natao na ny zava-niseho na ny toetr’andro no namaritana sy ilazana ny efa lasa na ny vao ho avy. Isaina manomboka amin’ny alina voalohany aorian’ny zava-niseho ka ny marainan’ny alina fahafito, andro fahavalo, no miherina, miverina ny andro, ohatra : “Afak’omaly no may ny tranon-dRabozy“. Afak’omaly no andro voalohany ; andro faharoa omaly ; andro fahatelo anio ; andro fahefatra rahampitso ; andro fahadimy rahafak’ampitso ; andro fahenina loak’andro rahafak’ampitso. Indroa andro sisa dia miherina ny andro nahamay azy, andro fahavalo.

Ny vao ho avy : “Dimy alina izy no lasa, koa anio, rahampitso, rahafak’ampitso sisa, misandratra andro no fotoana hahatongavan’i Dada sy Neny hisakafo eto amintsika, fa miherina ny andro nahaterahan’i Lita ka hivoaka itany izy“.

-Rehefa miherina, miverina ny andro : raha marary dia miala eo am-pandriana mba tsy ho tratran’ny andro fahavalo.

-Ny andro fahavalon’ny nialan’ny vehivavy ho any am-panambadiana dia miverina any amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny aloha izy.

-Ny zaza vao teraka dia mivoaka ny trano amin’ny andro fahavalo aorian’ny nahaterahany mba hijery ny anjara-masoandrony.

-Ny olona nanao fahadisoana ka miaiky ny heloka vitany dia manati-javatra ho an’ilay nifonany nahavitany heloka rehefa miherina na miverina ny andro nifonany. Mivalo : tsy hamerina ny fahadisoany  intsony. Fito andro ny herinandro iray fa ny fahavalo iherenany dia fiandohan’ny manaraka indray.

Araka izay efa voalaza ny herinandro dia fito andro fa amin’ny andro fahavalo dia fiandohan’ny manaraka indray fa miverina indray ny andro iray, miherina. Ny herinandro iray izay fito andro dia fanalahidin’ny fanandroana izay ny voalohany no mifanohitra amin’ny fahafito.

Ny voalohany sy ny farany no mifanohitra. Ohatry ny fiainana izany fa izay miandoha tsy maintsy mifarana. Ny andro fito dia azo atomboka araka izay tiana hanononana azy raha fanisana fotsiny no atao, afa-tsy ny zava-dehibe mirakitra fitadidiana maharitra izay manjary fanondroam-potoana, toy ny hoe : herinandro mialohan’ny paska, telo andro aorian’ny krismasy, tapa-bolana mialoha ny fetim-pirenena, sns, sns…

RABENANDRAASANA Lalao François

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *