HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

Fankalazana ny herinandron’ny Kabary sy ny zaika be Maneran-tany andiany Faha 5

habakae-mangazina-kabary-andiany-faha-5

Tontosa SOA aman-tsara teto Fianarantsoa, Renivohitry ny Faritra Mahatsiatra Ambony, ny fankalazana ny herinandron’ny Kabary sy ny zaika be Maneran-tany andiana Faha 5, nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy Maneran-tany ( FI.MPI.MA )

Ary nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina Ambatomena.

Tamin’ny ity androany ity ihany koa no nampahafantarana ireo Mpikambana vaovao hitantana indray ny birao FOIBE mandritra ny efatra (4) Taona manaraka. Lany ho filohan’izany Ramatoa HANITRA Andriamboavonjy izay filohan’ny fikambanana teo aloha ihany. Teo ihany koa no nanatontosana ny fianianany sy ireo filoham-paritany izay voafidy, Ary ny famoahana ny mpianatra nahavita ny fianarany ka noraisina ho Mpikambana vaovao.

Tonga nanome voninahitra sy namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoha Lefitry ny Antenimieran-doholona no sady Mpiahy ny Faritra antsimo, nohotronin’ Andriamatoa Governora, ny Solombavambahoaka voafidy teto Fianarantsoa, ny Solontenan-Ramatoa Ben’ny Tanàna ny Fianarantsoa, Ary ireo manampahefana isan’ambaratonga sivily sy Miaramila eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, sy ireo Mpikambana FI.MPI.MA Maneran-tany sy ny Lafivalon’ny Nosy Ary ny avy any ivelany.

 » Kabary Malagasy : Haren-tsaina Mampiray, iombonan’izao tontolo izao, miako Maneran-tany. »