Mampitaraina ireo mpitatitra mampitohy an’i Mahajanga -Antananarivo n’y faharatsian’ny lalana manomboka eo Ambovondramanesy ka hatrany Mahatsinjo. 15 ora be izao no faharetan’ny dia raha tokony ho 10 ora téo aloha. Ny vidin’ny kojakoja koa moa dia mihoampampana. Ohatra n’y kodiarana iray dia mahatratra 300.000 ariary nefa zara raha mahavita in-4 mandroso sy miverina. Ny plaketin’ny hisatra dia 50.000 ariary raha tokony ho 20.000 ariary. N’y saran-dalana nefa dia tsy miova noho ny fitsinjovana ny mpandeha. Ny hetra aloa isan-taona moa tsy lazaina intsony.
Miantso ny Fanjakana mba hijery akaiky izao olona mianjady amin-dry zareo izao.