Fampirantiana asa soratra vaovao :
« RAKANKAFOTRA SY I DIAMONDRA » ( Mpanoratra: Esther RASOARIMALALA RANDRIAMAMONJY)
« RAKAKABE« (Mpanoratra: Lalao François Rabenandrasana)
Angano natokana ho an’ny ankizy 4 – 13 taona izy ireo
Ny Angano tokoa mantsy dia fitaovana mahomby amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny Tanora, ary indrindra vakoka mirakitra ny Teny sy ny Kolotsaina ary ny Soatoavina Malagasy. Teo amin’ny Ntaolo dia Sekoly mihitsy ny Angano.
Tena zava Kanto mahafinaritra ny sain’ny ankizy, mampianatra azy hitadidy sy hikaroka ary hamorona ny Angano.
Ndao indray ary hamporisika ny ankizy sy ny Tanora ho tia vaky boky e! Hanampy be amin’ny fivelaran’ny sainy izany.
