


Andro maneran-tany ho an’ny Poezia: navoaka ofisialy tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny boky « TOMBOKAVATSAN’NY HAISORATRA »
21 Martsa : io no daty voatondro maneran-tany hankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Poezia. Ho antsika eto Madagasikara, nisafidy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny hanamarika ny hetsi-pankalazana tamin’ity androany ity tetsy amin’ny IVOKOLO Analakely. Vory lanona tao amin’ny efitrano malalaka Charles RAVALOSON ireo mpandala ny Haikanto malagasy maro nahitana ireo mpanoratra, mpamorona, mpiantsa ary ireo ao amin’ny Fikambanana Havatsa UPEM.
Nasongadina nandritra ity hetsika androany ity avokoa ny fampiroboroboana sy fameloman’aina ny teny Malagasy, niainga tamin’ny fiantsana ireo amboaran-tononkalo sy ny ny filalaovana Piesy Teatraly iray mitondra ny lohateny hoe « Ahy ny Safidy ». Nanamarika manokana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Poezia ny famoahana sy ny fanehoana ampahibemaso ny boky « TOMBOKAVATSAN’NY HAISORATRA » izay tsangam-bato faha 70 taona niorenan’ny Fikambanana Havatsa UPEM.
Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO fa mariky ny maha firenena ny firenena iray ny fananana literatiora maroloko izay mampiroborobo ny teny. Ho fanohanan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo mpanoratra isan-tokony, hisy ny fikarakarana fifaninanana nasionaly lehibe ho an’ny literatiora an-tsoratra, hankalazana ihany koa ny iray volan’ny teny malagasy ny volana Jona izao. Hisokatra sahady ho an’ireo mpanoratra amin’ny sokajy rehetra ny fifaninanana ka ny 4 Aprily izao hatramin’ny 24 Mai no handraisana ny asa soratra rehetra.