HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

NY TAOMBAOVAO LOHATAONA

Nandritra ny taona arivo voalohany taorian’i Jesoa Kristy dia Vazimba no niantsoana ny mponina teto Magagasikara. Izany vanimpotoana izany no natao hoe « Manjaka foko ».

Io vanimpotoana io no ataon’ny mpitantara sasany hoe : “Fiainan’olon-“dia”. Ny atao hoe “dia” amin’ny zavamaniry dia izay tsy nambolen’olombelona, ary amin’ny biby dia izay tsy manan-tompo fa mikarenjy araka izay tiany, ary amin’ny olombelona ny fiheveran’ny mpitantara sasany azy dia ny olona miaina amin’ny fombam-piainana mifanohitra amin’izay ataony hoe “olo-mandroso”.

Tamin’ny vanimpotoanan’ny “Manjaka foko” dia ny lehilahy, Loholona no Mpikabary, miteny amin’ny vahoaka mpiara-monina, ary tao amin’ny fianakaviana dia ny Raim-pianakaviana izay natao hoe “Vovonana iadian’ny lohany sy Andribe fiankinana”, na ny zokiny indrindra, natao hoe “Zokibe toa Ray”, nahatonga ny hoe : “Manan-jandry afak’olan’entana, manan-joky afak’olan-teny”.

      Ny olon-kendry iray ao an-tanàna natao hoe “Loholona”, lohany amin’ny olona, mpitarika ny mpiaramonina, mpandamina sy mpanitsy, natao hoe : “olona iray toa zato”, dia niavaka tamin’ny toetrany sy ny fahendrena ananany ary ny halemem-panahiny. Izy no nandrindra ny fiaraha-monina. Ny atao hoe : “malemy fanahy” amin’ny Malagasy dia tsy mamono na mampijaly izay nanao fahadisoana, fa manoro sy manitsy mba tsy hamerenany intsony. Tsy mandatsa ny tra-pahavoazana fa mangoraka sy manampy.

Ny Malagasy Vazimba tamin’izany vanimpotoana izany dia nanandro, namaritra ny fotoana azo anaovan-javatra amin’ny « eran-danitra » sy « eran-tany ». Ny eran-danitra dia ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny eran-tany dia ny tany, ny zavamaniry, ny biby, ny olombelona. Fito ireo. Isa feno sy masina ny fito amin’ny Malagasy.

Izany hoe, namantatra ny fotoana raikitra tsy maintsy miseho ny Vazimba mba hanaovan-javatra antonona ny fotoana hatrany. fahalalana ny an’ny Malagasy Vazimba, izay niaina talohan’ny nahatongavan’ny Arabo ny taona 1300, izany hoe talohan’ny vola na ny varotra olona namidy any ivelany, izay vanimpotoana tsy mbola nisian’ny anaran’andro fito sy ny anaram-bolana roa ambin’ny folo.

Ny andro no fotoana fohy indrindra satria ny tany mihodin-tenany no mahatonga ny fifandimbiasan’ny andro sy ny alina, ary ny fivoivoin’ny tany sy ny volana eo amin’ny masoandro no fotoana antonona satria maharitra 28 andro miovaova ; ka ny 14 andro aloha, kely mihalehibe  dia atao hoe : “volana miakatra”, mitombo ho boribory, fenomanana ; ary ny 14 andro aorian’io dia mihena mihakely atao hoe “volana midina” na “volana mandrorona”. 28 andro no ifandimbiasan’ny diavolana sy ny maizim-bolana.

Ny fotoana lava indrindra raha tsy hilaza afa-tsy ny fahitan’ny maso ny volana eny an-danitra, dia ny fihodidinan’ny tany amin’ny masoandro (sady mihodin-tenany toy ny tandrimo) izay mahatratra 28 x 12 = 336 andro, ka mahatonga ny fizaran-taona efatra eto Madagasikara : 1-Lohataona, 2- Fahavaratra,

 3 – Fararano, 4 – Ririnina, izay 3 volana avy (Volana hitan’ny maso eny an-danitra).

Ny anaram-potoana samihafa dia araka ny toetrany mihitsy fa tsy hoe anarana hanavahana azy fotsiny akory.

-Andro = Hazavan’ny masoandro.

-Volana = Toetry ny volana hitan’ny maso eny an-danitra.

Ny Lohataona dia lohan’ny taona fiandohan’ny hafanana.

Mizara telo ny lohataona :

-Ny volana voalohany dia nyLohataon-kely”.

-Ny volana faharoa dia ny “Aty-lohataona”. Mamony ny ankabeazan’ny zavamaniry, manatody ny ankamaroan’ny voromanidina.

-Ny volana fahatelo  dia ny “Fara-lohataona” na “Midon’orana”.

Araka ny anarany dia fiandohan’ny taona ny Lohataona, mafana ny tany, efa hilatsaka ny orana ka manomboka amin’ny asa fambolena ny Malagasy.

Fototry ny fiainana ny vokatry ny tany, araka ny hoe : “Taiza ianao tamin’ny ora-midona no volasira vao mangata-katsaka ?”, ny ora-midona no fotoana fambolen-katsaka, fa ny volasira kosa no fotoana maha antitra azy.

Tsy ny fitiavana hanana no anaovana ny fambolena, fa samy manana ny fotoana fanaovana azy araka ny karazany avy, izay misy fetrany hararaotina, araka ny hoe : “Raharaha manetsa ka ny tsara fanahy (salama) mamono masoandro (miasa mandra-pahafatin’ny masoandro) ary ny marary manao izay ho vitany”.

Isan’andro dia hararaotina ny toetr’andro araka ny fizaran-taona mba hahalavorariana izay tian-katao, ka tsy mifanohitra ny herin’ny tena sy ny fotoam-panaovana, araka ny hoe : “Ny tonon’andro tsy mahalehilahy” voalaza etsy aloha, ary izany dia naharaikitra ho anarana ilazam-potoana iaraha-mahalala toy ny hoe : “Mifoha olo-mazoto”, ilazana ny fotoana efa mazava aloha kelin’ny “vakimasoandro”.

Ny lohataona dia fiasana ny tanimbary mandritra ny fotoana maina tsy hisian’ny orana, ka nahatonga ny hoe : “Lohataon-diavolana ka ny miherika aza hitany”. Alaina ohatra amin’ny volana fenomanan’ny lohataona tsy saron-drahona, ka na dia miherika mihodina fotsiny aza ny loha dia hita ny tandindona : Ilazan-kevitra fa ny fotoana kely foana tsy anaovana izay tokony hatao, dia efa nisy fahabangana amin’ny asa, satria raha tratran’ny ranonorana ny tanimbary tsy voaasa, dia ao anaty rano no avadika ny bainga ka nahatonga ny hoe : “Asa vadi-drano ka tsy vita raha tsy ifanakonana”.

Na dia misy aza ny voly hafa dia fanampiny ihany ireny fa vary no tena fototra; ka isan’ny tsodrano sy fanirian-tsoa tsara indrindra ny hoe : “Sady tsy hilaozam-bary no tsy handao vary”. Tsy ho voan’ny mosary sy ho ela velona, lava andro iainana.

Fototra lehibe ny fambolem-bary, ka ny fotoam-panaovana azy dia nanjary anarana nilazana ny tonon-taona ho Lohataona, lohany, fiandohan’ny taom-pambolena, fiasana ny tanimbary avadika ho bainga.

Fototry ny fambolem-bary ny asa amin’ny lohataona sady fiandohan-draharaha, nefa misy fotoam-panaovana azy, ka nahatonga ny fitenenana hoe : “Mindran’angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa”. Ilazan-kevitra amin’ny fotoam-piasana vonjivonjena, sady ilana hery ka izay malain-kisasatra dia natao hoe : “Kamolahy mindran’angady ka aza mahita anie aho Zanahary !”.

Tamin’izany vanimpotoana izany dia ny Lohataona no nankalazan’ny Malagasy Vazimba ny Taombaovao.

NY TAOMBAOVAO LOHATAONA

Ny TAONA dia fotoana ihodidinan’ny tany amin’ny masondro. Misy fizaran-taona 4 eto Madagasikara, misy volana 12, misy herinandro 52, misy andro 365 miampy adim-pamantaranandro 6

Ny VAO dia tsy hita raha tsy eo amin’ny fotoana niforonany na anjariany, tsy mbola niasa na nampiasaina, tsy mbola niharan’ny fahasimbana na fahalovana.

Koa raha akambana ny “Taona” sy “Vaovao” voalaza etsy ambony ireo dia azo tsorina hoe : “Fotoana niforona”, niherina ka fiandohana vaovao indray.

Ny Taombaovao lohataonan’i Madagasikara dia fankalazana netin-dRazana izay mifandray amin’ny fifandovan’ny taona amin’ny Tetiandro malagasy. Tandindon’ny fiandohana vaovao. Izany dia miovaova araky ny fifandraisan’ny volana sy ireo antokon-kintana eny an’Habakabaky ny lanitra, ka ny tsinan’ny volana Septambra na Oktobra no hankalazana azy. Io dia azo jerena amin’ny Alimanaka amin’ny “Application Android” “Isa lava” izay nataon’ny mpahay Tetiandro malagasy Rabenandrasana Lalao François.

Ny lohataona dia “Fiherenan-kasina”. (miherina = miverina). Ny «Hasina» dia «fahamendrehana» sy «fahamboniana». Zanahary dia atao hoe «Masina» ; tsy manan-kilema satria nampisy ny zavatra rehetra. Raha nanandratra ny «hery» inoany ny Ntaolo dia nanambony azy ka tokoaviny, atao hoe : «Masina  masina !». Ary manemboka azy amin’ny fofona manitra. Tsy mba raisina amin’ny tanana havia fa atao am-bozona ary tsy apetrapetraka foana fa tahirizina amin’ny toerana mihaja ao an-trano.

Mety ho faty na hihalefy na very ny “hasina” raha toa ka voaota fady izy ka ataon’ny Ntaolo hoe “maty hasina” na “very hasina ». Sarotiny amin’ny hasiny àry ny Ntaolo Malagasy ka mifady zavatra maro na koa manao ny fandroana amin’ny voalohan’ny taona mba hitombo hasina indray. Ary raha mandeha amin’ireny olona na zava-manan-kasina ireny dia hoy ny fiarahabany sy ny firariany « Masina anie Ianao ! ».

Ny Taombaovao lohataona an’i Madagasikara dia fifohazana vaovao, fitsanganan’ny aina, fiandohan’ny asa vaovao, fahavokarana. Eo no manomboka ny asa fambolena izay fototry ny aina. Manan’aina ny olombelona ka manamantimolaly ny tany amin’ny alalan’ny fambolena. Fanomezana hasina azy izany fa “ny tany ivezivezena raha velona ary hitsilanisana raha maty”.

IREO FOMBA FANAO ISAKY NY TAOMBAOVAO LOHATAONA

 Fihetsiketsehana samihafa izay atao iray volana mialoha. Ohatra amin’izany :

  • Ny mpanenon-damba landy dia mikely aina fa izany no tena ilaina.
  • Ny mpandrary tsihy dia miezaka mafy fa velarana tsihy vaovao avokoa ny tokantrano rehetra.
  • Ny mpiompy dia efa manomana omby mifahy sy ny akoho amam-borona matavy.
  • Ny trano dia lalorina ivelany sy anatiny.
  • Ny tsena rehetra mandritra ny herinandro mialoha ny Taona vaovao dia atao hoe «faratsena».
  • Ny mpiantsena sy ny mpivarotra amin’izay dia avy telo aman’efatra heny.
  • Misy koa ny fifanomezana ao anatin’ny herinandro mialoha ny taombaovao.
  • Mifandrindra fihavanana amin’ny mpihavana, ny mpisakaiza, ny mpiasa sy mpampiasa, mpivady izay miady na misintaka.
  • Ny niady sy nifanditra dia mifandrindra fihavanana. Ny tsy mifanaraka sy mifampiolonolona dia mifamela heloka, ny mpiara-monina nifanditra dia mifamela heloka.
  • Ny mpihavana nifanavangavana dia mifamela heloka. Ny mpivady nisara-toerana fa nisintaka ny vavy dia tonga ao an-tranon’ny lahy raha mbola tsy voasaotra hanao ilay atao hoe : «alin-dratsy». Raha misy vehivavy manao tokantrano imaso amin’ny vadin’olona dia miala ao an-trano fa hoavy ilay ramatoa tena tompom-bady hanao alin-dratsy.
  • Misy ny varotra fampirantiana ireo Asatanana malagasy, atao hoe  «faratsena».
  • Kilalao fanaon’ny ankizy amin’ny alalan’ny «fampitaha» : mifaninana amin’ny alalan’ny fitafiana nentim-paharazana sy ny taovolo ary ny hira sy dihy ny ankizy. Fifaninanana «fanorona».
  • Fanajana ireo Razana niandohana : mamono omby
  • Fanomezam-boninahitra ireo Raiamandreny : manolotra fanomezana, «jaka».
  • Ahitana koa ny fizarana hena manitra ho an’ny vahoaka .
  • Hira gasy ifalian’ny Ambanilanitra.
  • Mifaniry soa sy mifampiarahaba fa taombaovao ka mifampirary soa hoe : « Sambasamba Andriamanitra Andriananahary. Ho arivo tratry ny taona anie, tsy hisara-mianakavy, hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafy».

Fahendrena malagasy efa nataon’ireo Raiamandreny teo aloha ny fisaorana sy fangatahana amin’Ilay Mpahary, ary mirary soa ho an’ny mpiara-belona aminy rehefa tonga ny taom-pambolena, izay ataony isaky ny tsinambolan’ny lohataona.

Voalohany amin’ny zavatra atao ny fikarakarana ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Ny ketsa dia sambasambaina amin’ny santatra am-bavarano”.

Isan’ny tsodrano sy fanirian-tsoa tsara indrindra amin’izany ny hoe : “Sady tsy hilaozam-bary no tsy handao vary. Tsy ho voan’ny mosary, ho ela velona anie, hamboly hahavokatra, ho ambinin-java-manasatra“.

NY NIOVAN’NY TAOMBAOVAO LOHATAONA HO ALAHAMADY

Ny Arabo no Vazaha voalohany fantatry ny Malagasy. Tonga teto izy ireo tamin’ny taonjato faha-13. Tsy ny nanjanaka ny Malagasy akory no nahatongavany teo fa raharaham-barotra. Nitondra ny fombany sy ny finoany teto ny Arabo ary isan’izany ny “Fanandroana ara-bintana” sy ny “Sikidy”.

Ny anaran’ny andro fito amin’ny herinandro dia avy amin’ny Arabo : Alakamisy, Zoma, Sabotsy, Alahady, Alatsinainy,  Talata, Alarobia.

Ny anaran’ny volana roa ambin’ny folo amin’ny taona iray ihany koa dia avy aminy : Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy.

Ny anaram-bolana dia niova rehefa tonga ny Frantsay, ka nanjary “Janvier” ny Alahamady ary rehefa mby amin’izao androntsika ankehitriny izao indray dia niova ho Anglisy, ka tononona hoe : Janoary, Febroary, sns, sns…., fa ny anaran’andro fito dia tsy niova mihitsy ary tsy hiova intsony.

  • Tamin’ny andron-dRafandrana (1500-1520) ka hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina (1710-1730) dia niova ho tsinan’ny Alahamady ny fankalazana ny Fandroana na ny Fetim-pirenena malagasy noho ny fanarahana ny Tetiandro avy amin’ny Arabo fa tsy tamin’ny tsinambolan’ny lohataona izay nataon’ny Vazimba intsony. Ary nanomboka tamin’Andrianjaka (1610-1630) no niovan’ny anaran’ny mponina teto anivon-tany ho Merina.

Firavoravoana sy fidiovana izany ka atao isaky ny tsinan’ny Alahamady. Alahamadibe no niantsoana azy. Tatỳ aoriana vao somary niovaova ihany ny fotoam-pankalazana.

Tamin’ny vanimpotoana nitondran’ny Mpanjaka fito ambin’ny folo nifandimby tao anatin’ny efajato taona dia ny iray Alahamady, roa Alahamady, telo Alahamady no Fandroana, fifaliam-pirenena Malagasy.

        Ny Mpanjaka Ranavalona II dia Mpanjaka Protestanta, fa Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary nanangana io Fiangonana tranovato ao Anativora io. Nanatona azy ny Misionera, ka nilaza taminy hoe : «Mamofompofona fanompoan-tsampy ny Alahamady Fandroana, ka mety raha ny tsinan’ny Alakarabo andro nahaterahanao no atao Fandroana, fa ny anay vahoaka Anglisy dia ny tonon’andro nahaterahan’ny Mpanjakanay no fetim-pirenena».

      Nandà Ranavalona II «fa ny Fandroana eo amin’ny Alahamady, nataon’ny Mpanjaka Razako hatramin’ny taloha elabe tany dia tsy hovako ny tsinan’ny Alakarabo».

     Tamin’ny andron-dRanavalona III, dia Mpanjaka Protestanta izy ary mpianatry ny Misionera. Tonga nanatona azy ireo Misionera nampianatra azy ka nanao taminy hoe : «Teraka teo Ambohipiara tanànan’i Rahety renibenao tamin’ny 22 Novambra 1861 ianao. Aoka hovana amin’io andro fitsingerenan’ny nahaterahanao io ny Fandroana».

      Rainilaiarivony izay Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary Protestanta dia resy lahatry ny Misionera. Naroso tao amin’ny Antenimiera ny hanovana ny Fandroana amin’ny Alahamady ho amin’ny 22 novambra. Nafanafana ny adihevitra kanefa lehilahy tsy refesi-mandidy ny Praiministra Rainilaiarivony ka nafindra ho amin’ny 22 novambra ny Fandroana.

     Maro tamin’ireo Andriambaventy sy ny Manamboninahitra no latsa-dranomaso tamin’ny namindrana ny Fandroana ho amin’ny 22 Novambra. Ny fon’ny vahoaka Malagasy dia nalahelo ny Alahamady, firavoravoam-pirenena nentim-paharazana.

Rehefa tonga teto ny Frantsay nanjanaka an’i Madagasikara ny taona 1896 dia nataony ho amin’ny 14 Jolay Fetim-pireneny ny Firavoravon’ny Malagasy isaky ny andro Fandroana. Na izany aza ny Zanadranavalona eny Anosimanjaka dia mbola mankalaza tsy tapaka ny Alahamadibe tsinambolan’ny Alahamady ihany mandraka ankehitriny. Eo ihany koa ny « Taombaovao fidiovana » izay ankalazaina isaky ny Tsinambolan’ny volana Martsa na Aprily izay  mihamahazo vahana hatrany.

Koa nahoana moa raha samy ankalazaina ireo tetiandro voalaza teo aloha ireo mba ho reharehan’ny Kolontsaina malagasy ka hiverenan’ny Hasim-pirenena ? Miangavy ny tompon’andraikim-panjakana isika mba handinika ny Alimanaka izay natolotry ireo Raiamandreny ara-dRazana (CRM) tarihan’i Printsesy RATSIMAMANGA Ralandison Fenosoa ny Alahady 21 Septambra 2025 lasa teo, nankalazana ny taombaovao lohataona an’i Madagasikaraka. Izany dia ny mba hanaovana ireo tetiandro ireo ho andro tsy hiasana nefa handraisan-karama. “Teny nomen’ny manan-tsaina izany ka irina horaisin’ny manam-panahy”.

Soratra : Rabenandrasana Lalao François  Akademisianina

Sary : Jean Pierre Mallaert

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *