HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

SARY MASINA

Isan’ny asa tanana tsara sy mahasarika maso iny amin’ny lalam-pirenena faha-7 iny, eo amin’ny P.K 48, Ambalavao Behenjy na koa hoe Sarimasina no ahalalan’ny olona azy.

Ciment sy tanimanga no akora fototra hiasan’izy ireo. Ny ciment izay jifaina eny amin’ny quincaillerie ary ny tanimanga dia eo an-toerana ihany.

Misedra olana anefa ireo mpanao asa-tanana ankehitriny satria dia noho ny vidim-piainana lafo dia vidian’ny olona mora tokoa n’y asa-tanana. Marihina fa gasy no maro manjifa eo ankoatra ny eglizy.
Indraindray aza dia tsy mahalafo mihintsy iray andro.
Tamin’ny andron’ny Filoha Téo aloha Marc Ravalomanana no mba nisy exposition « argi-déco » tamin’ny taona 2002- 2009 tany.

Tokony ahavelona ihany izy ity hoy hatrany izy ireo, fa raha tsy misy ny vadin’asa mamboly sy miompy dia tsy tafavoaka izy ireo.

Mangataka izy ireo ny mba tokony hijeren’ny fanjakana lalam-barotra ho azy ireo.

Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana tamin’Atoa Andriamanintsoa Fanoela André lehiben’ny fikambanan’ny mpanao asa-tanana sary masina eny an-toerana. Ity no laharana ahazoana azy ireo 034 46 829 10

Nangonin’i R.ci

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *