Nifanitsa-kitro ireo mpankafy Ambondrona tamin’ny fampisehonana an-tsehatra nataon’izy ireo ny Alahady 9 octobre lasa teo.
Hita tao ireo sokajin-taona samihafa ary azo lazaina fa Tarika mahatety vanimpotoana ny Ambondrona.
Natao tao avokoa ireo hira nampalaza ity Tarika ity ary tsapa fa tafatoetra ao am-po’ny mpankafy ireny.