HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

FIHAVANANA MALAGASY

NY FIHAVANANA

       Masina ny fihavanana satria io no fita-mora tsy afa-mahery, kizo tokana tsy vatran’ny hala ary fandrin-drano mampitovy ny miaina. Koa izay tia fihavanana, tia firaisankina ; ary izay mandala fihavanana, mandala fiombonana. Inona no manakana ny sasany tsy hanorim-pihavanana ? Sao vorondolo miaraka amin’ny akoho ka mahatonga ny hafa hiteny tsy mihambahamba hoe : “roahy io hiala eto fa tsy havanay !”

      Inona no manesika ny mpihavana tsy hamato-pihavanana amin’ny mpianakavy ? Sao lahy “mpihavana setrin’ny saina tsy ampy ka any am-pasana vao hifanondana ?” Ary inona no mandrisika ny isam-batan’olona tsy handrindra fihavanana amin’ny mpiray tampo ? Tsarovy fa “raha nisakana i zoky tsy hary i zandry ary raha nibahana i zandry tsy afa-kandroso i zoky”.

       Dia toy izany koa eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka : “ny iray loharano nisehoana, ny iray voa mampitohy ny aina, ka raha foana ny rano tsy misy koa ny voa, raha ritra ny rano, maina ny voa” ; raha atosik’izy ireo ny fihavanana dia hivarina an-kady ny ain’ny fiarahamonina, eny ho voahosihosy ny fanahy maha olona.

       Inona moa no fahavalon’ny fihavanana ? Tsy ny fiheveran-tena ho zavatra va ? Ny fanaovana kely tsy mba mamindro, ny fanaovana fary mitety reny, fa indrindra ny fitiavam-bola tafahoatra. Fositra ireny, fositra manimba fihavanana, mandrava firaisankina ka mamotika ny fiainan’ny mpiara-belona.

      Dia ny fositra ve no tsy hambolem-boavahy ? Tsia ! fa ny “fomba ratsy azo ialàna ary ny toetra ratsy azo ovàna” ; koa ’ndeha àry hofongorintsika ireo toetra mamohehatra ireo ka hosolointsika fanetren-tena, fitsimbinana ny hafa, fanehoana halemem-panahy ary fahaiza-mandanjalanja ny atao. Fototra iaingana ireo hahamarin-toerana ny fihavanana.

      Noho izany, mby amin’ny hoe : “ny marina tsy enti-mandalo”, ny “fihavanana tsy asoka fotsiny” ; koa tsara ny mifanao velirano mba hampanjaka ny fihavanana. Atao latsaka anaty toa tsoka izany fa tsy ho somidika ambony toa menaka, atao toa mason-dandy ka tohintohinina vao mihabarimaso, atao toa landihazo ka ny madilana tentenina, ny maito tohizana. Tano mafy àry ny fihavanana fa izay iray donak’afo iray dinidinika, izay iray vatsy iray aina, izay iray lohomby iray fileovana, ary izay iray fonenana iray taozavatra.

Atsipy ny taty eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny manam-panahy…

RABENANDRASANA Lalao François

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *