HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

IREO ANDRO FITO AVY AMIN’NY ARABO

Tsy hentitra ny fotoana nifanaovana sy ny zavatra niaraha-nanao teo amin’ny Malagasy tompon-tany sy ny Arabo vahiny noho ny andro fito tsy misy anarana raikitra, ka dia nampidirina ny anaran’andro “fito” avy amin’ny Arabo izay natomboka tamin’ny andro iray mialoha ny andro fivavahan’ny Arabo. Natomboka ny andro Alakamisy izany.

Zava-dehibe amin’ny Malagasy ny fiandohana na ny fanombohan-javatra izay atao hoe  “Santatra”. Izany no nahatonga ny andro Alakamisy ho tsy mba fanaovana ny zavatra ratsy tsy tiana hitohy : tsy fandevenana, tsy famangiana manjo. Ny Alakamisy no andro voalohany teo amin’ny Malagasy ary mbola misy faritra sasany eto Madagasikara manaja ny andro Alakamisy ka nataony hoe  “Andro fady”

  1. ALAKAMISY
  2. ZOMA
  3. SABOTSY
  4. ALAHADY
  5. ALATSINAINY
  6. TALATA
  7. ALAROBIA

Ny Alarobia no andro farany, fanaovana ny zavatra tsy tsara tsy tiana hitohy ka natao hoe : Alarobia tsy miverina: fandevenana, famangiana ny tra-pahoriana, ka natao hoe : “Fialana faran’ny lohany”, fiafaran’ny zava-dratsy niseho. Araka ny fandalovan’ny andro fito teo amin’ny fiainany dia nanana ny fiheverany koa ny Malagasy tamin’ny fiandohany. Ny andro Alakamisy no fiandohan’ny herinandro.

1 – ALAKAMISY : Andro tsara, fanombohan-javatra, tsy fiheverana ny fara-teny hoe “misy” akory fa fiandohana, fanombohana, fisantarana. Ny Alakamisy dia  andron-dehilahy, fanandratana ody mahery, fanaovana zavatra tiana ho tsara miafara.

2 – ZOMA : Andro fivavahan’ny Arabo izay nataon’ny Malagasy hoe “andro mena”, “andro mahery”. Ny Arabo dia nitaona ny Malagasy hanaraka ny fivavahany ka izany fitaomana izany dia naeliny tamin’ny alalan’ny angano hoe : “Natao hanampy ny tongotra roa, hanafaingana ny fandehanana ny elatry ny vorona, kanefa tian’ny Mpahary ny hihaonana aminy eny an-danitra ka amin’ny Zoma dia samy miangona eny an-tendrombohitra ny rehetra, koa rehefa tazana mikopakopaka avy any ambony any Izy dia hanidinana miakatra manatona Azy ireo elatra fa tsy fandehanana fotsiny intsony.

Tsy mba niandry ny andro Zoma voalaza, hono, ny akoho fa ny Alakamisy izy dia efa nandeha, ka noho izany dia nanirahan’ny Mpahary nilazany hoe : “Alakamisy anio fa tsy Zoma ka mandehana miverina ary aza mankety intsony rahampitso”. Dia niverina nidina, hono, ny akoho ary tsy niakatra nihaona tamin’ny Mpahary intsony ny Zoma, tsy mba nanidina fa ny vorona hafa kosa dia ny Zoma vao niakatra ka nanidina nihaona tamin’ny Mpahary.

Izany, hono, no nahatonga ny fitenenana hoe : “Ny akoho no tsy mba nanidina dia tsy nahandry ny andro Zoma”.Ny Zoma  dia androm-pitiavana, fametrahana zavatra irina ho tsara, androm-bahoaka, andro mahavokatra.

3 – SABOTSY : Andro fahatelo avy eo amin’ny Alakamisy. Andro voalohany aorian’ny Zoma andromena ka natao hoe : “Andro sambatra”, fanaovana ny zavatra tiana hitombo, tsy fanaovana ara-keviny araka ny tapak’anarany hoe “botsy”, mibontsina akory, fa noho izy aoriana manarakaraka ny Zoma fivavahan’ny Arabo. Ny Sabotsy  dia androm-bavy, andro jejojejo.

4 – ALAHADY : Fisasahan’ny andro fito ao anatin’ny herinandro, lasa ny telo andro ka telo andro no sisa dia tapitra ny andro fito. Io dia atao hoe “Ivon’andro”, afovoany. Tsy mba ambanin-javatra koa ny afovoany amin’ny Malagasy. Ny manitsak’aloka, ny mitatao vovonana, ny volana fenomanana dia ilazana fahafenoana. Andro tsara koa ny Alahady, faniriana ho “ampy”, tsy fanaovana ara-keviny amin’ny tapak’anarany hoe “lady”, malady, fa noho izy fisasahana. Ny Alahady dia “andro mahery”, “andro fifaliana”.

5 – ALATSINAINY : Atao hoe “andro mafy” satria fiandohan’ny andro telo farany ka tsy mba fanombohan-javatra. Raha oharina amin’ny asa atao dia toy ny mafy ny zavatra madiva ho vita satria aina efa vizana tamin’ny betsaka efa natao no mamita azy. Ny Alatsinainy dia “andro mavesatra”, “andro mafy”, tsy fanombohan-javatra.

6 – TALATA. Andro fahenina, andro iray sisa dia ho lany ny fito andro, atao koa hoe “andro gorobaka”, fanombohana ny asa sarotra, ny ampitso dia hifarana ny andro fito. Noho izy madiva hamarana ny herinandro, anehoan-kevitra amin’ny zavatra ho lany dia misy olona “tsy mamoaka zavatra Talata”, izany fifehezan-tena amin’ny fitantanana izany dia tsy azo akana afo akory ny andro Talata, tsy mampindrana na mampisambotra ny olona. Ny Talata dia “andro gorobaka”, “andro mahery”, famakiana disadisa.

7 – ALAROBIA. Andro farany, atao hoe : “Alarobia tsy miverina” . Andro farany amin’ny herinandro. Ny Alarobia dia andro fanaovana ny zavatra tsy tiana hitohy, fidiovana, fialana loza, fandevenana, famangiana manjo, fialana saona amin’izay fianakaviana nanan-kavana maty.

Mbola hitohy…

Rabenandrasana Lalao François

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *