HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

Lalam-pirenena Faha 4. Antananarivo-Mahajanga

lalam-pirenena-faha-4-Antananarivo-Mahajanga-habakaemangazina

Mampitaraina ny mpitatitra mampiasa lalana ny fahasimban’ny arabe manomboka eo Andranomamy PK 380 ka hatrany Andranofasika, Izany hoe : eo amin’ny 100 km eo no ho eo. Araka ny fahitanay azy dia ny arabe manoloana ny tanana no be simba noho ny vesatry ny fiara vaventy izay voatery mandeha mora ka miteraka filetsen’ny arabe. Ny kalitaon’ny lalana moa dia iaraha-malala fa manify tokoa ny atevin’ny tara.

Koa an’iza ary ny tsiny? Samy tompon’andraikitra ny Fanjakana sy ireo mpampiasa lalana ka aoka samy hanao izay manandrify azy…