HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

MPANAO VILANY AO AMBATOLAMPY

Malaza amin’ny fanaovana vilany ny tananan’Ambatolampy.  Ambatolampy andrefan’ny gara no toerana misy azy.

Mazava ho azy fa ny akora « aluminium » no fototra ampiasaina. Mividy ireny « bloc moteur » efa maty na »cadre vitre ireny izy ireo, vidiana 8.000 ariary ny iray kilao. Mahalany arina 5 gony isan’andro ry zareo amin’izany ka 2.8000 ariary ny vidin’ny gony iray.

Olana ho azy ireo ny tsy fahitana ny akora ampiasaina indraindray.

Mahavita haingon-trano sy ireo zavatra azo atao fanomezana ry zareo ankoatra ny vilany mazava ho azy. 23 mianadahy ny mpiasa miara-misalahy amin’izany.

Mahalafo vilany 30 isan’andro eo ho eo izy ireo. Halavirin’ity orinasa mpanao vilany ity ny fanafangaroana akora hafa toy ny « gavabac » satria tsy manaraka ny fenitra izany, ka manimba ny tsena. Eny Isotry sy Andravoahangy ary Analakely no hiparitahan’ireo entana vita.

Mahavelona ity seham-pihariana ity rehefa tena hikirizana hoy hatrany ny tomponandraikitra niresaka taminay.

Ireto avy ny dingana lalovan’ny fanefena vilany:

1) Fandrendrehana ireo akora fototra izay mahatratra 800°.

2) Atsonika araraka ao anaty lasitra tanimanga avy eo, 5kg isaky ny lasitra iray. .

3) « Moulage », atao anaty lasitra homena bika.

4) « Meulage », manala ireo mihoatra @ sisiny.

5) Ny farany dia ny « polissage » diovina tsara hangirana.

Maniry ireto mpanao vilany eto Ambatolampy ireto ny mba ahazo akora fototra  mora, ary hisokafan’ny tsenam-barotra ivelany.

Fanadihadiana natao tamin’Andriamatoa RAKOTOMALALA Rado Ribelson tomponandraikitry ny toerana fanaovana vilany ao Ambatolampy andrefan’ny gara. Tel: 034 79 022  00 – 033 71 2 17 29.

Soratra sy sary R.Ci

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *