Firenena samIhafa no nampiditra ny VOLA teto Madagasikara. Notononon’izay faritra nivantanany ary nogasiany araka ny anarany tany amin’izay niaviany. Ny Dollar dia nataon’ny olona hoe “Drala”. Ny Fiastre dia notononony hoe “Parata” : volafotsy boribory milanja 25grama ny iray, nomen’ny teto antoerana anarana araka ny fahitana azy. Ny misy sisiny voadidy ny hatevenany mahaboribory azy dia natao hoe “tombo-tsisina” . Ny boribory tsotra ny sisiny dia natao hoe “malama kely”, misy sarin’i Bonaparte, mandry ny soratra. Ny misy sarin’olona mifehy ravin-kazo ny lohany dia natao hoe “ampanga”. Ny misy sarim-poto-kazo dia nantsoina hoe “tokazon’ny tranompitaratra”. Ny misy sarin’olona be loha fa kely handrina dia natao hoe “kelihandrina”. Ny misy sarin’ny masoandro dia “tanamasoandro”. Ny misy sarin’i Louis Philippe dia natao hoe “besomotra”. Ny sarin’olona telo mitsangana, la Republique, dia “tsanganolona”.
Tsy niara-tonga daholo akory ny karazam-bola samihafa ary ny iray no kely vidy indrindra. Zava-baovao tsy mbola fahita : ny sorany tsy fotsy manjopiaka kanefa tsy matroka loatra, (volafotsy) ny lanjany tsy maivana zakan-drivotra nefa tsy madondobe. Ingaingaina eo anaty felatanana ny iray sady jerena ka fatratra dia fatratra fa HARIHARY. Latsaka am-panononana ny “H” izay ny fofon’aina ny olona sempotra no tena mahatonona azy tsara, ary ny voaloham-peo amin’ny soratra “A” izay avoakan’ny vava misokatra fotsiny no fiandoham-panononana ny ARIARY.
Tsy mbola niasa tamin’ny zavatra rehetra amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro io zavatra HARIHARY tsara dia tsara io, afa-tsy amin’ny olona ihany izay naondrana any ivelan’i Madagasikara. Izay mivarotra olona no hany manana azy. Miangona ao amin’ny olom-bitsy ka milevim-poana, nahatonga ny hoe : “Manao levenam-bola tandrifin’ny masoandro”, manafin-javatra nefa amin’ny toerana mora hita. Ny vy dia hita teto an-toerana ka nanamboarana fiasana samihafa araka izay itiavana azy amin’ny herin’ny afo sy ny vy namany ihany ka fantatra fa mitovitovy ny fonjany, fa ity zavatra HARIHARY avy any ivelany ity dia fatratra indrindra amin’ny zava-pantatra ny tarehiny ka olombelona no hany mahasolo azy.
Ary tsy ny fijerena amin’ny soratra sy sary ivelany fotsiny no itiavana azy fa ny tenany manontolo mihitsy, ka dia noravana ny bikany boribory sy ny endriny ivelany fa notefena ho fonjany ka namboarina ho ravaka amin’ny olombelona fa tsy nalevim-poana. Natao haingon’ny faritra miseho ka ny amin’ny volo lavabe dia “drakadraka”, manodidina ny loha, fehiloha. Natao boribory misy loaka eo afovoany, apetaka eo afovoan’ny handrina dia afatotra any ivoho, atao hoe “bokotra”, nahatonga ny hoe : “Bokotra ambony loha ka tsy afenina fa hitan’ny maso”. Natao amin’ny vozona, rado, kavina amin’ny sofina, nahatonga ny hoe : “Mila vavam-bahoaka ohatry ny benangy mikavina”.
Ny foto-tsofina mibontsina no nangy izay kilema tokony hafenina amin’ny fehim-bozona nefa ny kavina dia haingo entina mba hitan’ny olona. Ny kavina dia zavatra roa mifampitohy kely foana no mampiray azy, ka raha vao mihetsika ny lohan’ny tompony dia misavilivily izy satria miraviravy, ka natao hoe : “kavina jejo alohan’ny tompony”. Ny tanana no tena nasiana ravaka ka nilazana halavan-javatra, atao hoe “haba”, ny ravaka eo aoriana kelin’ny hatotanana dia noheverina fa manana ariary aman-jatony ny olona mitondra azy, ka atao hoe : “am-panjatoana”. Izay mitondra betsaka noho io fa efa hatrany akaikin’ny kiho dia tombanana ho manana an’arivony ilay olona, ka atao hoe “am-panarivoana”.
Noho ny fahitana ny ravaka entin’ny olona dia maro mpitia io haingo io ka izay nanana betsaka na “besomotra” na “kelihandrina” na “ampanga”, sns, dia tsy notahirizim-poana na nalevina fotsiny daholo fa NOVOLAVOLAINA ho fonjany, ka afaka manakalo am-pahany araka izay ilainy ny te hiravaka.
Raha maty ny tompon’ireny VOLAVOLA ireny dia am-panarahina azy any am-pasana ilevenana ny atao hoe “VAKO-DRAZANA”, izay tsy azo alaina hiveloman’ny mpandova amin’ny fiainana andavanandro fa raha misy fahavoazana lehibe dia mamory ny mpiara-monina ka azo alaina hiavotam-bery.
Leave a Reply