Ny fizaran-taona «efatra» no nanompanan’ny Ntaolo Malagasy ny asa aman-draharahany, ny famboleny, ny fiompiany, ny taozavany tsy ho diso fotoana. Izao vanimpotoana iainantsika izao dia efa dila volana irany ny “Fararano” satria izany dia maharitra “3 volana” raha tsy misy ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara (Martsa – Aprily – Mey). Raha nandalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito eo an’elanelan’I Behenjy sy Ambatolampy iny ny Mpanao Gazetinay dia efa manomboka mijinja vary ny tantsaha.
Amin’ny “Fararano” dia efa mihena ny orana na ny rano. Izay no nahatonga ny hoe « Fararano ». Eo no fahavokaran’ny ankabeazan’ny hazo fihinam-boa ; fahamasahan’ny vary vakiambiaty, fahatavezan’ny akoho amam-borona noho ny maha betsaka ny sakafo. Ny « fararano » dia mitovy amin’ny hoe “hatondrahana”-“habetsahana”.
Tsy dia mifanalavitra amin’ny toetry ny voary amin’ny fahavaratra ny fararano. Efa nitsahatra ny orana nefa mety manao am-batravatra tampoka ary mijojo toa tsy hitsahatra intsony. Izany no nahatonga ny hoe « Miady fo toa oran-ko ritra ». Mahasoa nefa io oram-pararano io fa mahamasaka ny vary vakiambiaty tratra aoriana ary mahamamy sy manamasaka ny voankazo efa soamaravo…
Soratra sy sary : RABENANDRASANA Lalao François
Leave a Reply