Fanakalozan-javatra amin’ny vola, hitadiavan-tombony : Lasa nanao varotra any an-tsiraka izy. Entana amidy : Aza hitsahinao ity varotr’olona.
Voavarotra / mivarotra, fivarotra / mampivarotra / varobarotra.
Ady varotra : fifamaliana ataon’ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin’entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan’ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mampihena avy hatrany.
Mamola-barotra : mampitamby ny mpivarotra ny mpividy mba hampihenany ny vidin’ny entana iadiam-barotra, na mampitamby ny mpividy ny mpivarotra mba hanekeny ny vidiny araka ny tiany hivarotana azy.
Manongom-barotra : mahita olon-kafa mitady hividy ilay zavatra efa nokasaina hovidina ka manondrotra indray ny vidiny efa nomena.
Mivaro-tena : mahazo vola amin’ny fijanganjangana.
Varotra alika : varotra ifanerena.
Varotra ambongadiny : varotra be no atao fa tsy atsinjarany.
Varotra an’elakela-trano, varotra an-kobohobo : varotra atao any an-takontakona tsy sahy mazava noho ny mpivarotra, ta hanondrotra ny vidin’entana tsy ara-drariny.
Varotra an-trano tokana : varotra entana tsy mety hita any an-kafa fa ao amin’io toerana io ihany.
Varotra antsijarany : fivarotana zavatra madinidinika.
Varotra olona : fivarotana olona atao mpanompo.
Varotra omby anaty ambiaty : varo-javatra tsy eo ambany maso.
Varotry ny mananotena : varotry ny mpivarotra misalasala noho izy sady te hahazo vola no toa tsy mahafoy entana.
Varo-bazaha : varotra tsy misy ady varotra fa efa raikitra hatrany tsy azo ovana ny vidin’entana.
Varo-boba : varotra mora dia mora.
Varo-dratsy : fivarotana zavatra nangalarina.
Varo-droa : enti-milaza olona roa samy mivarotra zavatra iray (ohatra : Trano iray izay karakaraina mpanera roa samy hafa).
Varotra mahay mody : varotra azo averina na afody.
Varo-maika na varotry ny maika hiala, Varotry ny maika hody : varo-mora.
Varo-maizina : mitovy amin’ny varotra an’elakela-trano.
Varo-mandeha : fivarotana entana mifindrafindra amin’ny toerana maro samihafa fa tsy amin’ny toerana anankiray raikitra.
Varo-maty : varotra entana tsy azo averina intsony na manao ahoana na manao ahoana.
Varo-miandry : varotra entana izay avela hijanona eo raha mbola tsy lafo.
Varo-miera na varo-mifody : varotra entana azon’ny mpividy averina raha tsy mahafa-po azy.
Varotra misy fehivavany : varotra misy fepetra izay azo ravana.
Varotra tsy miverim-bodiondry : varotra entana nanomezana vola mialoha ho fandraiketam-barotra, ka raha tahiny tsy raikitra ny varotra any aoriana dia lany maina iny vola iny fa tsy averin’ilay olona tompon’entana intsony.
Varo-tsy mifody : varotra entana tsy azo averina intsony.
Lalao RABE















Leave a Reply