Sady mahafinaritra ny maso no ravaky ny moron-dalana ny fahitana ireo fiarakely vita amin’ny hazo sy vy fotsy etsy Ambatofotsy lalam-pirenena fahafito PK 21. Raha nanontanianay ny Ramatokely Larissa mpivarotra ireo kilalao marobe ireo, dia nambarany fa avy any Antanifotsy Antsirabe ny entana ary misy manatitra eo amin’izy ireo mba hamidy. Manomboka amin’ny 15.000 ariary ka hatramin’ny 40.000 ariary ny vidin’ny iray, arakaraka ny karazany sy ny habeny. Raha hampitahaina amin’ny kilalao vita avy any ivelany ireo taozavatra Malagasy ireo dia hita taratra, fa misy tokoa ny ezaka amin’ny famoronana sy eo amin’ny kalitaon’ny asa. Heverinay fa tokony hotohanana ny mpanao asatanana eto amintsika noho izany fikirizana lehibe izany … Efa ho avy izao ny vanimpotoanan’ny ririnina izay fanaovana didipoitra na hasohavan-jaza, koa raha hanome kilalao ho an’ny zazalahy hoforaina ihany, tsy aleo ve mba ny vita malagasy e ? « Trafonkena omena ny mahery izany teny izany ka am-bava homana, am-po mieritreritra »…
Sary sy soratra : Rabenandrasana Lalao François

Leave a Reply