Malaza amin’ny fanaovana vilany ny tananan’Ambatolampy. Ambatolampy andrefan’ny gara no toerana misy azy.
Mazava ho azy fa ny akora « aluminium » no fototra ampiasaina. Mividy ireny « bloc moteur » efa maty na »cadre vitre ireny izy ireo, vidiana 8.000 ariary ny iray kilao. Mahalany arina 5 gony isan’andro ry zareo amin’izany ka 2.8000 ariary ny vidin’ny gony iray.
Olana ho azy ireo ny tsy fahitana ny akora ampiasaina indraindray.
Mahavita haingon-trano sy ireo zavatra azo atao fanomezana ry zareo ankoatra ny vilany mazava ho azy. 23 mianadahy ny mpiasa miara-misalahy amin’izany.
Mahalafo vilany 30 isan’andro eo ho eo izy ireo. Halavirin’ity orinasa mpanao vilany ity ny fanafangaroana akora hafa toy ny « gavabac » satria tsy manaraka ny fenitra izany, ka manimba ny tsena. Eny Isotry sy Andravoahangy ary Analakely no hiparitahan’ireo entana vita.
Mahavelona ity seham-pihariana ity rehefa tena hikirizana hoy hatrany ny tomponandraikitra niresaka taminay.
Ireto avy ny dingana lalovan’ny fanefena vilany:
1) Fandrendrehana ireo akora fototra izay mahatratra 800°.
2) Atsonika araraka ao anaty lasitra tanimanga avy eo, 5kg isaky ny lasitra iray. .
3) « Moulage », atao anaty lasitra homena bika.
4) « Meulage », manala ireo mihoatra @ sisiny.
5) Ny farany dia ny « polissage » diovina tsara hangirana.
Maniry ireto mpanao vilany eto Ambatolampy ireto ny mba ahazo akora fototra mora, ary hisokafan’ny tsenam-barotra ivelany.
Fanadihadiana natao tamin’Andriamatoa RAKOTOMALALA Rado Ribelson tomponandraikitry ny toerana fanaovana vilany ao Ambatolampy andrefan’ny gara. Tel: 034 79 022 00 – 033 71 2 17 29.
Soratra sy sary R.Ci
Leave a Reply