ASA FIHARIANA
Anaty ny fihariana dia misy ny karazany izay miainga avy amin’ny fomba fitadiavam-bola, na fomba fivelomana mifanandrify amin’ny zavatra ilain’ny isam-batan’olona eo noho eo sy amin’ny fotoana tsy voafetra, fitadiavana sahanin’ny olon-drehetra tsy anavahana ambaratongam-piarahamonina, fitadiavana mifanandrify amin’ny foto-pisainana miray volo amin’ny riba mbamin’ny kolontsaina malagasy. Izay no hotondroina ho asa fihariana.
Asa fitadiavana tsy voafetran’ny asa iray fa afaka miovaova araka ny fivoaran’ny toekarena eo an-toerana na iraisam-pirenena ary ny fandrosoan’ny teknolojia. Ny asa fihariana dia entina milaza ireo karazana asa mampidi-bola na tsia, toy ny fambolena sy fiompiana, ny asa tanana maro samihafa, ireo vadinasa maro isan-karazany, izay tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ny fakana ny hetra. Ny fikarohana nisy hatrizay dia nampiseho fa tsy ampy ny fomba fijery izay mirona tanteraka amin’ny fijery miompana amin’ny lafiny toekarena fotsiny.
Ny fanadihadiana ny asa fihariana dia mampifarimbona taranja maro karazany no sady mampisongadina ny lafiny hafa eo amin’ny fomba fiainana an-drenivohitra sy eny ambanivohitra. Ny famakafakana ankehitriny momba ny asa fihariana dia afahana mandinika amin’ny fomba vaovao ny seha-pamokarana tsy manara-dalàna ary hita eto Madagasikara nantsoina hoe vadinasa, izay tsy inona tsy akory fa ireo asa fameno, fantatra koa amin’ny fiteny mahazatra hoe asa an-tselika na kibaroa, nentina namenoana ny tsy fahampian’asa ao amin’ny sehatry ny toekarena môderna. Na ny any an-drenivohitra na eny ambanivohitra dia samy manana ny vadinasany avy. Ny karazan’asa natao amin’ny vadinasa toy ny asa tanana dia misy ny nolovaina avy amin’ny raiamandreny teo aloha nifanesy. Ny fanaovan’ny olona vadinasa dia tsy voafetran’ny olana eo amin’ny lafiny toekarena toy izay niseho roapolo taona lasa izay, fa mihoatra lavitra izany fiheverana izany. Mifanome aina amin’io vadinasa io ny lafiny sosialy : ny valintanana, ny asa ifarimbonana, sy ny lafiny kolontsaina : ny fihavanana, ny fikolokoloana ny tanindrazana ary ny fankatoavana ny fomba amam-panao (ny famadihana, fitampoha, sambatra, sns, sns…)
Hafatra ho an’ny mpiasa Malagasy :
Amin’izao 1 mai fetin’ny asa izao dia indro misy hafatra ho antsika mpiasa izay mety hahasoa antsika.
Hajao ny asanao dia hanaja anao izy. Tsy ny ho tafita no mahamaika fa ny fanajana ny asa haharitra no mahatafita. Aza miasa ho an’ny vola sy manenjika vola ka mitarika amin’ny fanompoana azy, izay mety hiteraka olona eo amin’ny asa atao. Tsara foana ny manao asa roa samihafa : ny voalohany dia ilay asa tinao eo amin’ny fiainana ary ny faharoa kosa dia ilay mampidi-bola tsara. Manaova izay asa tinao sy hainao tsara, mba tsy hiainanao amin’ny teritery eo am-panatanterahana ny asa.
Ny ekipan’ny Habaka e- mangazina dia mirary soa ho antsika mpiasa rehetra mba samy ahavita ny asany tsy amin-teritery sy am-pahamendrehana avy.
Sary sy soratara : R. ci




Leave a Reply