HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

NY ANDRO

Ny andro teo amin’ny Malagasy dia ny fotoana isehoan’ny masoandro, mazava ahitana ny zavatra rehetra ka iasana sy ifaneraserana, nahatonga ny anaran’ny vy manondro ny fiovam-potoana, atao hoe “famantaranandro”, satria tamin’ny nisehoany dia ny antoandro nihaonana no nahitana ilay tompony nijery azy ka nilaza ny fotoana. Ny andro iray dia manomboka eo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny tsy fahitana azy intsony. mizara roa ny fisehony dia ny fiakarany sy ny fidinany.

Ny andro koa dia enti-milaza ny toetr’olona sy ny zava-miseho amin’ny tsirairay avy, ka rehefa tonga ny fomba hafa izay milaza ny momba ny vintana dia natao hoe “mpanandro” izay milaza ny momba ny vintana, ka na dia misy ny zava-miseho amin’ny olona iray amin’ny alina aza dia atao hoe “izay no androny”.

Ohatra, maty tampoka, very fananana, nahazo harena, sendra zava-tsoa. Koa ny andro talohan’ny fiheverana momba ny vintana dia tsy ny fotoana na andro nahaterahan’ny olona iray akory fa ny zavatra niseho taminy manokana, soa na ratsy. Olona samy hafa, samy niezaka sy nitandrina kanefa ny hafa sendra ny ratsy ary ny sasany nahita soa, araka ny hoe : “ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina”.

Marihiko mialoha eto fa samy hafa ny “fanandroana” sy ny “fandroana”. Ny “fandroana” dia fomba fanao ao an-kibon’ny Merina, fanao isan-taona amin’ny tsinam-bolan’ny Alahamady.

Taom-baovao fahiny ny “fandroana” ka amin’io fotoana io no irariana ny fihavaozan’ny zavatra rehetra : fisiana, aina, fahateraham-baovao, firavoravoana ka misy vono omby sy fihinanana hanim-pitoloha ary korana mandritra ny andro vitsivitsy… Koa ambaranay etoana fa sasanangy samy hafa mihitsy ny “fanandroana” sy  ny “fandroana”…

Mbola hitohy…

Rabenandrasana Lalao François

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *