Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia tsara no misarika ny saintsika Ray aman-dreny mampiana-janaka fa misy fanontaniana hafa adino tokony hanontaniana ny ankizy rehefa mirava izy.
Matetika dia ireto no fanontanintsika ny ankizy rehefa mirava:
-Nisakafo tsara ve tany an-tsekoly?
-Nahavita devoirs tsara ve?
-Tsy voasazy ve, nahazo naoty tsara ve, nahavaly fanontaniana ve?
Heverintsika Ray aman-dReny fa ireo dia ampy, fa ny zava-dehibe mety adino dia ireto :
-Nanao ahoana ianao androany? Nahatsiaro ho irery ve? Voahilikilika ve ? Nohambaniana ve ? Nahatsiaro nilaminana ve?
-Nisy fotoana ve ianao nahatsiaro ho faly ? Nahatoky tena, afaka maneho hevitra tsara ve ianao ao an-dakilasy?
-Misy zavatra tsy sahinao nolazaina ve satria noheverinao fa tsy misy dikany?
Ny ankizy dia mety ho miforitra anaty mandritra ny tontolo andro, manafina ny fihetsem-pony izay tsy azony akory izy. Mety mitsiky izy mba tsy ho hita ny fihafahafany na hanafenany ny manelingelina azy.
Ary rehefa mody izy dia tsy voatery hamaly ny fanontaniana apetraka aminy fa mila fotoana kely iarahany amintsika sy hifantohana aminy ary hihainoana azy. Raha tiantsika hifantoka sy hihaino ny ankizy dia mila aseho azy koa fa mihaino azy isika, fa tsy rehefa maneho fihetsika mikiakiaka sy mitomany na mikorontana ihany izy vao ho fantatra ny mahazo azy.
Rehefa hita soritra fa malomaloka sy tsy be teny na koa misalasala ny izy dia manomboka eo ny olany ka mety hitarika tsy fahombiazana ho azy izany.
Avelao ho any aloha ny naoty sy ny fahaizany fa izay ao am-pony sy niainany no anontaniana azy voalohany. Henoy sy hevero izay lazainy satria tena zava-dehibe aminy tokoa izany ka manavesatra azy.
Ho hitanao fa hanaraka ho azy ny fahombiazany avy eo…
R.Ci


Leave a Reply