NY VOLANA
Ny fanandroana teo amin’ny Ntaolo malagasy dia miompana amin-javatra roa.
- Zavatra hita maso. Ny volana (lune) eny an-danitra.
- Ny isan’ny andro amaritana ny fahitana ny volana (mois).
NY VOLANA (lune) : 28 andro no ahitan’ny maso ny volana eny an-danitra izay mitsinjara ho toy izao, araka ny fahitana azy :
-Andro voalohany ahitana ny volana tsinana eny amin’ny ila-lanitra andrefana aloha. Kely dia kely no fahitana azy dia mitombo mihalehibe ka afaka herinandro dia mazava miharihary tsara izy, 7 andro ahatsinanany izany, ampahany no hita.
-Afaka 14 andro nahatsinanany dia hita tsara ny mahaboribory ny volana manontolo araka ny ankamantatra hoe : « Inona àry izany, tanora (tsinana) banga, antitra (feno) boribory ? »
Izay no atao hoe : « Tapa-bolana », antsasaky ny iray volana (14 andro). Hita manontolo ny volana ka atao hoe “feno” na “fenomanana”.
-Ny efatra amby ny folo andro sisa kosa indray dia ihenany ho lany. Ny andro voalohany nahatsinanany ka hatreo amin’ny andro faha-14 no atao hoe “volana miakatra”, kely mihalehibe, miakatra ho feno.
-Hatreo amin’ny fenomanana nomidina kosa dia atao hoe “volana mandrorona” (midina ho lany). Araka ny finoana, ny zavatra tiana hitohy, fahasoavana fifaliana, lanonana, sns, dia ataon’ny Ntaolo eo amin’ny volana miakatra, fa ny zavatra tsy tiana hitohy kosa toy ny fahavoazana, fahoriana dia natao amin’ny volana mihena, volana mandrorona. Finoana ny fanandroana ka zava-dehibe tamin’izay nino azy tokoa, ary izany finoana izany dia ambaran’ireto fitenenana ireto :
-Tonon’andro tsy maha lehilahy
-Tandrok’adaoro ny tsiny ka kirongo mahavoa, baka mahazo.
-Aza mamono volana an-trano (tokony hivoaka maraina any alatrano hijery ny volana eny an-danitra).
Jeren’ny maso mihitsy ny toetry ny volana eny an-danitra ka nahatonga ny fitenenana hoe : “Mamono volana an-trano”. Ilazana ny olona manao anjoanjo izay milaza ny zavatra tsy hitan’ny masony akory, sy ny hoe : “Mahita volana alohan’ny biby”, satria ny biby no misy mahiratra ao anatin’ny aizina.
Mbola hitohy…
RABENANDRASANA Lalao François


Leave a Reply