Nankalazaina teo Fidasiana kianja malalaky ny Rovan’i Madagasikara – Manjakamiadana ny Taombaovao lohataona 2025 omaly 21 Septambra. Nanafy haja sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna, notronin’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Andriamatoa Augustin ANDRIAMANANORO izay efa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha ihany koa.
Ny Communauté Royale de Madagascar izay tarihin’ny Princesse RATSIMAMANGA RALANDISON Fenosoa moa no nikarakara ity hetsika ity ka tonga maro ireo Raiamandreny ara-dRazana eto amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ireo vahiny hafa nasaina. Koa satria Taombaovaon’i Madagasikara no nankalazaina dia tonga ihany koa ireo Vahiny monina sy mipetraka eto Madagasikara : Ny sinoa, ny Indoneziana, ny Japoney, ny Frantsay izay nahitana ny Masoivohon’ny Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara.
Nisy ny fampisehoana ara-kolontsaina nataon’ny Malagasy sy ny Vahiny izay tena nahaliana sy nahafaly tokoa. Tao ny varotra sy fampirantiana izay nanehoana ireo asatanana avy eto an-toerana sy ny any ivelany.
Niarahana nankafy ny sakafo tena malagasy izay nantsoina hoe : « sakafo mitam-pihavanana ».
Natolotry ny « CRM » tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa omaly ny Vakiraoka momba ny Alimanaka mba hodinihin’ny Fanjakana ary dia nangataka izy ireo ny mba hanaovana ny Taombaovao malagasy ho andro tsy fiasana nefa handraisan-karama…
Soratra : RABENANDRASANA Lalao François
Sary : Jean Pierre Melaert



Leave a Reply