HABAKA

Ny « habaka e-mangazina.mg » dia fampahalalam-baovao an-tambajotra ara-kajimirindra. Natao hitaterana sy hampitana amin’ny vahoaka ireo zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina.

Advertisement

KOLONTSAINA MALAGASY

NY FOMBA AMAM-PANAO : Fomba arahina mahazatra, fanao netim-paharazana izay arahin’ny taranaka mifandimby, miampita ; izany hoe ifandovana, mahakasika indrindra ireo fotoan-dehibe eo amin’ny fiainana toy ny : raha misy teraka amin’ny famoran-jaza, amin’ny fanambadiana, amin’ny famadihana. Iavahan’ny fiarahamonina sy ny Firenena iray ny fomban-drazana, ifikirany sy hajainy.

NY SOATOAVINA : Hevitra omen’ny fiarahamonina hasina, satria sady tsara no mendrika. Fitsipi-pitondran-tena, fitsipika fototra, foto-kevitra ijoroana, izay eken’ny fiarahamonina iray sy hajainy satria manan-kasina, mavesa-danja ary ananana fahamendrehana.

NY RIBA : Fomba amam-panao mampiavaka ny fiarahamonina sy ny Firenena iray. Nisy fiovana, na nisy niova, na nisy fanampiny matoa nisy ny fitenenana manao hoe : «Tsy riba vao, fa efa ela». Ny riba ihany koa dia «tamboho » na «rindrina» no heviny, koa azo lazaina fa ny riba dia toy ny fefy miaro, mampiray ireo voalaza etsy aloha ireo, dia ny Fomba amam-panao, ny Kolontsaina ary ny Soatoavina.

NY KOLONTSAINA : Fitambaran’ireo endrika isehoan’ny zavakanto, ny finoana sy fivavahana, ny toe-tsaina, izay mamaritra ny fiarahamonina na Firenena iray ka mampiavaka azy amin’ny hafa. Toe-tsaina mitondra sy taratry ny fiovan-tsaina amam-panahin’ny fiarahamonina iray. Ny fidirana amin’ny Kolontsaina dia zo fototra, ary ny olona tsirairay dia manan-jo amin’ny fankatoavana ny kolontsainy raha toa ka manaja ny an’ny hafa izany.

Mbola hitohy

Lalao RABE

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *