« NY TANTARAN’NY VAZIMBA – NY MPANJAKA SY NY MPIAVY »
Mpanoratra : RABENANDRASANA Lalao François
VOTOATIN’NY BOKY
Ity TANTARAN’NY VAZIMBA ity dia boky mitahiry sy manazava ny fototry ny fiandohan’ny olombelona sy ny fiavian’ny mponina teto Madagasikara. Izany no antony nanomezaka azy lohateny faharoa manao hoe : NY MPANJAKA SY NY MPIAVY.
Izy ity dia Rakipahalalana sy loharano manan-danja ho an’ny mpianatra sy ny mpikaroka, satria mitondra fanazavana lalina sy voarindra momba ny :
-Niandohan’izao tontolo izao sy ny nisian’ny lombelona voalohany teto an-tany ; Ara-tsiansa sy ara-pinoana.
-Ny nahatongavan’ny mpiavy teto Madagasikara izay afaka hambara fa loharano nisehoan’ny Vazimba.
-Ny fiampiainan’ireo Vazimba nonina teto, izay azo heverina fa mponina voalohany teto amin’ity Nosy ity.
-Ireo mpanjaka nalaza nanamarika ny tantara sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny vahoaka sy mpiavy.
-Ny fiheveran-diso mahakasika ny Vazimba.
-Ireo kolontsana aman-driba nolovantsika tamin’ireo Razambe vazimba.
-Ny niavian’ny teny hoe : MALAGASY izay nisolo ny anarana hoe VAZIMBA, sy ny fomba ary ny Teny malagasy nentin’ireo mpiavy.
-Ireo lahabolana sy Fombam-pitenenana malagasy (Tsodrano)
Raha fehezina amin’ny teny fohy :
-Ity boky ity dia vokatry ny fikarohana sy fitiavana lalina ny HARENTSAINA MALAGASY ka mikendry ny hampita fahalalana sy hanabe ny taranaka ankehitriny sy ny hoavy.
-Boky fanovozan-kevitra ho an’ny mpikaroka ihany koa izy ity, ka izany no hampisehona ampahany, amin’ny fomba fijerin’ireo raiamandreny mpamaky lay teo amin’ny tantaran-dRazana malagasy.
Ny mpanoratra
RABENANDRASANA Lalao















Leave a Reply